FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Samoela 2:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Raha ny amin’i Jehovah, dia hihorohoro izay miady aminy.+

      Ary izy hampirefotra kotroka avy any an-danitra+ mba hamelezana an’ireny.

      I Jehovah mihitsy no hitsara ny tany manontolo,+

      Mba hanomezany hery ny mpanjakany,+

      Sy mba hanandratany ny tandroky ny voahosony.”+

  • Salamo 67:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  4 Aoka ny firenena samy hafa hifaly sy hihoby,+

      Fa hotsarainao araka ny hitsiny ny vahoaka.+

      Hitari-dalana ny firenena samy hafa eto an-tany ianao. Sela.

  • Salamo 96:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Eo anatrehan’i Jehovah. Fa tonga izy,+

      Eny, tonga hitsara ny tany izy.+

      Hitsara ny tany lonaka araka ny rariny izy,+

      Ary hitsara ny olona araka ny tsy fivadihany.*+

  • Isaia 2:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Ary hamoaka didim-pitsarana eo amin’ireo firenena izy,+ ka hanitsy+ izay tsy mety eo amin’ireo vahoaka.+ Dia hanefy ny sabany ho angadinomby izy ireo, ary ny lefony ho antsy fandrantsanam-boaloboka.+ Tsy hanainga sabatra hifamely ny firenena, ary tsy hianatra ady intsony.+

  • Asan’ny Apostoly 17:31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 satria izy efa nanondro andro iray izay kasainy hitsarana+ ny tany onenana, eny, hitsarany azy araka ny marina amin’ny alalan’ny lehilahy iray voatendriny. Ary efa nomeny antoka ny amin’izany ny olona rehetra tamin’ny nananganany+ azy io tamin’ny maty.”

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara