FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Tantara 36:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Koa nentin’Andriamanitra niakatra namely azy ireo ny mpanjakan’ny Kaldeanina,+ izay namono ny zatovon’izy ireo tamin’ny sabatra+ tao amin’ny toerana masina.+ Tsy nisy nananany antra, na ny tovolahy na ny virjiny, na ny antitra na ny osa.+ Natolotr’Andriamanitra teo an-tanany daholo ny zava-drehetra.

  • Isaia 49:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Niteny foana anefa i Ziona hoe: “Efa nahafoy ahy i Jehovah.+ Efa nanadino ahy i Jehovah.”+

  • Jeremia 30:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 “Fa hampody ny fahasalamanao aho ary hanasitrana ny ratra tamin’ny kapoka nahazo anao”,+ hoy i Jehovah. “Nantsoina hoe vehivavy noroahina ianao:+ ‘Io ilay Ziona tsy misy mpitady.’”+

  • Jeremia 33:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 “Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Eto amin’ity toerana lazainareo hoe lao tsy misy olona na biby fiompy ity, ary ao amin’ireo tanànan’i Joda sy ny lalamben’i Jerosalema izay lao+ tsy misy olona na mponina na biby fiompy, dia mbola handrenesana+

  • Fitomaniana 1:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  4 Misaona ireo lalan’i Ziona, satria tsy misy mandeha mamonjy fety.+

      Tsy misy olona intsony eny amin’ny vavahadiny rehetra,+ ary misento ny mpisorony.+

      Vonton’alahelo ireo virjininy, ary izy koa aza ory dia ory.+

  • Galatianina 4:27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 Fa voasoratra hoe: “Mifalia, ry vehivavy momba izay tsy niteraka. Mihobia sy mihorakoraha, ry vehivavy tsy mba narary nihetsi-jaza. Fa ny zanaky ny vehivavy nilaozam-bady dia betsaka noho ny zanaky ny vehivavy manambady.”+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara