FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 32:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Nanao izay hahasaro-piaro ahy izy ireo, noho ny andriamani-tsy izy,+

      Ary nampahasosotra ahy noho ireo sampiny tsy misy ilana azy.+

      Ary izaho kosa hanao izay hialonan’izy ireo an’izay tsy vahoaka.+

      Firenena adaladala no hataoko hampahatezitra azy ireo.+

  • Salamo 96:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  5 Fa andriamanitra tsy misy dikany daholo ny andriamanitry ny firenena,+

      Fa i Jehovah kosa, izy no nanao ny lanitra.+

  • Isaia 44:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Aza matahotra ary aza gaga.+ Tsy efa nampahafantariko anareo tsirairay avy ve izany nanomboka tamin’izay fotoana izay? Ary tsy efa nambarako ve izany?+ Ianareo no vavolombeloko.+ Misy Andriamanitra hafa ankoatra ahy ve?+ Tsia, tsy misy Vatolampy hafa.+ Tsy mahafantatra aho na iray aza.’”

  • Jeremia 16:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Mahavita manao andriamanitra hivavahany ve ny olombelona? Tsy tena andriamanitra no vitany.+

  • 1 Korintianina 8:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Ny amin’ny fihinanana+ sakafo atolotra ho an’ny sampy, dia fantatsika fa tsinontsinona velively ny sampy,+ ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy iray ihany.+

  • 1 Petera 3:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Fa sambatra ianareo na dia mijaly noho ny fahamarinana aza.+ Aza atahorana anefa izay atahoran’izy ireo+ ary aza mitebiteby.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara