5Mandehana mivezivezy eny an-dalamben’i Jerosalema. Dia jereo sy fantaro ary tadiavo eny an-tany malalaka, raha mahita olona iray+ monja manao ny rariny+ na olona iray tsy mivadika+ ianareo. Raha izany mantsy, dia havelako ny helok’ilay tanàna.
2 Raha mba manana toeram-pilasian’ny mpanao dia lavitra mantsy aho any an-tany efitra,+ dia handao ny oloko aho ka handeha lavitra azy, satria mpanitsakitsa-bady+ izy rehetra sady mpamitaka+ daholo.
11 Nandika ny lalànao ny Israely rehetra, sady tsy nankatò ny teninao.+ Koa nampiharinao taminay ny ozona sy ny fianianana+ voasoratra ao amin’ny lalàn’i Mosesy mpanomponao, satria nanota taminao izahay.