FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Tantara 36:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Nataon’izy ireo ho fihomehezana+ foana anefa ny irak’Andriamanitra, ary nataony tsinontsinona ny tenin’Andriamanitra,+ sady nesoiny+ ny mpaminaniny, mandra-pihatran’ny fahatezeran’i+ Jehovah tamin’ny olony, ka tsy nisy fanafany intsony.+

  • Nehemia 9:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 “Tsy nankatò+ anefa izy ireo, ary nikomy taminao+ sady tsy niraharaha ny lalànao.+ Novonoiny koa ny mpaminaninao,+ izay nampirisika azy hiverina aminao.+ Ary naniratsira anao tokoa izy ireo.+

  • Matio 21:35
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 35 Nosamborin’ireo mpamboly anefa ireo mpanompo, ka ny iray nokapohiny, ny iray novonoiny ho faty, ary ny iray notorahany vato ho faty.+

  • Matio 23:34
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 34 Noho izany no anirahako+ mpaminany sy olon-kendry ary mpampianatra ampahibemaso ho any aminareo.+ Ny sasany hovonoinareo ho faty+ sy hofantsihanareo amin’ny hazo fijaliana, ary ny sasany hokaravasinareo+ ao amin’ny synagoganareo sy henjehinareo isan-tanàna.

  • Asan’ny Apostoly 7:52
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 52 Iza moa no mpaminany tsy nenjehin’ny razanareo?+ Eny, novonoiny+ mihitsy aza ireo nanambara mialoha fa ho avy Ilay marina.+ Ary ankehitriny dia efa tonga mpamadika sy mpamono azy ianareo.+

  • 1 Tesalonianina 2:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Na i Jesosy Tompo+ sy ny mpaminany+ aza mantsy dia novonoin’ny Jiosy, ary nanenjika anay koa izy ireo.+ Tsy manao izay hahafaly an’Andriamanitra koa izy ireo, fa manohitra kosa ny tombontsoan’ny olona rehetra,

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara