FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 27:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Amin’izany andro izany dia hahintsan’i Jehovah ny voankazo,+ hatrany amin’ny rano mikoriana avy amin’ny Renirano+ ka hatrany amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Ejipta.+ Koa hotsimponina tsirairay toy izany ianareo,+ ry zanak’Israely.

  • Isaia 43:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 “Aza matahotra fa momba anao aho.+ Avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro no hitondrako ny taranakao, ary avy any amin’ny filentehan’ny masoandro no hanangonako anao.+

  • Ezekiela 34:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Havoakako avy any amin’ireo firenena izy ireo,+ ary hangoniko avy any amin’ny tany samy hafa ka hoentiko ao amin’ny taniny.+ Hiandry an’ireo ondriko ireo eny amin’ny tendrombohitr’i Israely aho, sy eny amoron-drano, ary eny amin’izay rehetra azo onenana ao amin’ilay tany.+

  • Ezekiela 36:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Halaiko avy any amin’ireo firenena ianareo ary hangoniko avy any amin’ny tany rehetra, ka hoentiko any amin’ny taninareo.+

  • Zefania 3:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Hampodiko ianareo amin’izany fotoana izany, eny, amin’ny fotoana hanangonako anareo. Fa hataoko izay hahatonga anareo hahazo laza tsara sy hitondra fiderana any amin’ny firenena rehetra amin’ny tany, rehefa hampodiko ianareo izay babo, ary ho hitan’ny masonareo izany”, hoy i Jehovah.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara