-
Deoteronomia 28:61Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
61 Hataon’i Jehovah manjo anao koa izay aretina sy loza rehetra tsy voasoratra ato amin’ity boky misy ny lalàna ity, mandra-pahalany ringana anao.
-
-
Jeremia 34:17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 “Koa izao no nolazain’i Jehovah: ‘Tsy nankatò ahy ianareo, satria tsy nanao antso avo tamin’ny rahalahinareo sy ny namanareo intsony hoe tokony hafahana+ ny mpanompo. Koa izao kosa no fahafahana ataoko antso avo aminareo:+ Ho fatin’ny sabatra+ sy ny areti-mandringana+ ary ny mosary+ ianareo’, hoy i Jehovah. ‘Ary hataoko mangovitra mihitsy ny fanjakana rehetra eto an-tany mahita an’izay hanjo anareo.+
-