5 Ary hoy izy tamin’i Kora sy ny olony rehetra: “Rahampitso maraina i Jehovah no hampahafantatra hoe iza no azy,+ sy iza no masina,+ ary iza no tokony hanatona azy,+ ka izay hofidiny+ no hanatona azy.
13 “Mbola nijery ihany aho ka izao no fahitana hitako tamin’ny alina: Teny amin’ny rahon’ny+ lanitra, dia nisy toy ny zanak’olona+ nihananatona. Ary nahazo alalana hankeo amin’Ilay Efa Nisy Hatry ny Ela Be+ izy, ka nentina ho eo anatrehany.+
24 Fa tsy toerana masina nataon-tanana,+ izay tahaka an’ilay tena izy,+ no nidiran’i Kristy, fa ny lanitra mihitsy,+ mba hisehoany ankehitriny eo anatrehan’Andriamanitra ho antsika.+