-
Jeremia 21:7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 “‘“Aorian’izany”, hoy i Jehovah, “dia hatolotro eo an-tanan’i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona sy eo an-tanan’ny fahavalo sy ireo mifofo ny ainy i Zedekia mpanjakan’ny Joda sy ny mpanompony sy ny vahoaka ary izay tsy matin’ny areti-mandringana sy ny sabatra ary ny mosary ato amin’ity tanàna ity. Dia hamely an’ireo amin’ny lelan-tsabatra i Nebokadrezara.+ Tsy hiantra na hangoraka na hamindra fo aminy izy.”’+
-
-
Jeremia 25:9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 dia hampanantsoiko ny firenena rehetra any avaratra”,+ hoy i Jehovah. “Hampanantsoiko i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona sady mpanompoko.+ Hoentiko hiady amin’ity tany ity+ sy amin’ny mponina eto ary amin’ny firenena rehetra manodidina izy ireo.+ Hatokako haringana ireo rehetra ireo ka hataoko higagam-bahoaka sy hampisioka olona,+ ary ho rava mandritra ny fotoana tsy voafetra.+
-