FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Levitikosy 18:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Koa maloto ilay tany, ka hosaziko izy io noho ny fahadisoany, ary haloan’ilay tany ny mponina ao aminy.+

  • Levitikosy 26:33
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 33 Haparitako any amin’ny firenen-kafa ianareo,+ ary hanatsoaka sabatra hanenjehana anareo aho.+ Dia tsy hisy mponina ny taninareo,+ ary ny tanànanareo ho rava tsy hisy mponina.

  • Deoteronomia 28:36
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 36 Ary halefan’i Jehovah+ hankany amin’ny firenena tsy fantatrao, sady tsy fantatry ny razanao, ianao sy ny mpanjaka+ izay hapetrakao hifehy anao. Hanompo andriamani-kafa vato aman-kazo ianao any.+

  • Isaia 24:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Ho foana tsy misy na inona na inona tokoa ny tany sady horobaina,+ fa i Jehovah no efa nilaza izany teny izany.+

  • Jeremia 25:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 dia hampanantsoiko ny firenena rehetra any avaratra”,+ hoy i Jehovah. “Hampanantsoiko i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona sady mpanompoko.+ Hoentiko hiady amin’ity tany ity+ sy amin’ny mponina eto ary amin’ny firenena rehetra manodidina izy ireo.+ Hatokako haringana ireo rehetra ireo ka hataoko higagam-bahoaka sy hampisioka olona,+ ary ho rava mandritra ny fotoana tsy voafetra.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara