19 Mangotikotika ny tsinaiko, mangotikotika ny tsinaiko! Mijaly mafy ny foko ka mila ho vaky.+ Midobodoboka ny foko ato anatiko.+ Tsy afaka ny hangina aho satria feon’anjombona no reko, eny, fanairana rehefa misy ady.+
17 “Lazao amin’izy ireo izao teny izao: ‘Aoka handrotsaka ranomaso andro aman’alina ny masoko ka tsy hijanona mihitsy,+ fa voa mafy ny oloko zanakavavy virjiny,+ ary tena maratra be noho ny kapoka nahazo azy.+