FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Josoa 3:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Dia hoy i Josoa: “Izao no hahafantaranareo fa misy Andriamanitra velona eo aminareo,+ ary tsy maintsy horoahiny tsy ho eo anatrehanareo ny Kananita sy ny Hetita sy ny Hivita sy ny Perizita sy ny Girgasita sy ny Amorita ary ny Jebosita:+

  • Daniela 6:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 Mamoaka didy+ aho fa tokony hangovitra eo anatrehan’ilay Andriamanitr’i Daniela sy hatahotra azy+ ny olona any amin’ny faritra rehetra manerana ny fanjakako. Fa izy no ilay Andriamanitra velona sy Ilay maharitra mandrakizay.+ Ny fanjakany+ dia fanjakana tsy ho rava,+ ary ny fitondrany haharitra mandrakizay.+

  • Jaona 6:57
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 57 Velona+ ny Ray izay naniraka ahy, ary velona aho noho ny Ray. Dia toy izany koa izay mihinana ahy, ho velona izy noho ny amiko.+

  • 2 Korintianina 6:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Ary inona no ifanarahan’ny tempolin’Andriamanitra amin’ny sampy?+ Fa tempolin’ilay+ Andriamanitra velona isika, araka ny voalazan’Andriamanitra hoe: “Honina eo amin’izy ireo aho+ sady ho eo aminy, dia ho Andriamaniny aho, ary izy ho oloko.”+

  • 1 Tesalonianina 1:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Mbola tantarain’izy ireo foana mantsy ny nidiranay voalohany teo aminareo, sy ny nialanareo tamin’ny sampy+ ka nitodihanareo tamin’Andriamanitra mba hanompoana Andriamanitra velona+ sady tena izy,+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara