FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Jeremia 4:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Ary hoy aho: “Indrisy, ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô! Tena namitaka tanteraka an’ity vahoaka ity+ sy Jerosalema ianao rehefa nilaza hoe: ‘Hiadana ianareo’,+ nefa mandrahona ny ainay* ny sabatra.”

  • Jeremia 5:31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Maminany lainga ny mpaminany,+ ary manampatra ny fahefany ny mpisorona.+ Dia tian’ny oloko erỳ izany!+ Koa hanao ahoana re ianareo rehefa hifarana izany rehetra izany e?”+

  • Jeremia 6:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Ataony alasafay ny fanasitranana ny fahavoazan’ny oloko,+ amin’ny filazany hoe: ‘Fiadanana! Fiadanana!’ nefa tsy misy fiadanana akory.+

  • Jeremia 23:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Izao foana no lazainy amin’ireo tsy manaja ahy: ‘Izao no nolazain’i Jehovah: “Hahita fiadanana ianareo.”’+ Ary izay rehetra mandeha araka ny ditran’ny fony+ kosa ataony hoe: ‘Tsy hisy loza hanjo anareo.’+

  • Jeremia 27:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 “‘“‘Aza mihaino an’ireo mpaminany+ sy mpisikidy sy mpanonofy+ sy ireo mampiasa herin’ny maizina ary ireo mpilalao ody+ eo aminareo, izay milaza hoe: “Tsy hanompo ny mpanjakan’i Babylona ianareo!”+

  • Ezekiela 13:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Nampaniasia ny oloko mantsy izy ireo rehefa nilaza hoe: “Fiadanana!”, nefa tsy misy fiadanana akory.+ Manangana rindrina hanasaraka efitra ny olona, fa ny hafa kosa manisy lalotra fotsy+ aminy, nefa ho very maina+ fotsiny ny lalotra nataony.’

  • Mika 3:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Ny lohandohany eo aminy dia mitsara mba hahazoana tsolotra,+ ny mpisorony kosa mampianatra mba hahazoana karama,+ ary ny mpaminaniny misikidy mba hahazoam-bola.+ Mbola miantehitra amin’i Jehovah ihany anefa izy ireo, ka milaza hoe: “Angaha moa tsy eto amintsika i Jehovah?+ Tsy hisy loza hanjo antsika.”+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara