58“Miantsoantsoa faran’izay mafy, fa aza miahotrahotra mihitsy.+ Ataovy mafy toy ny feon’anjombona ny feonao, ka lazao amin’ny oloko ny fikomiany,+ ary amin’ny taranak’i Jakoba ny fahotany.
51 “‘Na i Samaria+ aza tsy nahavita ny antsasaky ny fahotana vitanao. Betsaka noho ny an’ireo ny zava-maharikoriko nataonao, hany ka ny rahavavinao indray no toa marina raha ampitahaina aminao, noho ny fanao maharikoriko rehetra narahinao.+