-
Jeremia 25:9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 dia hampanantsoiko ny firenena rehetra any avaratra”,+ hoy i Jehovah. “Hampanantsoiko i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona sady mpanompoko.+ Hoentiko hiady amin’ity tany ity+ sy amin’ny mponina eto ary amin’ny firenena rehetra manodidina izy ireo.+ Hatokako haringana ireo rehetra ireo ka hataoko higagam-bahoaka sy hampisioka olona,+ ary ho rava mandritra ny fotoana tsy voafetra.+
-
-
Ezekiela 29:18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 “Ry zanak’olona, nampanaovin’i Nebokadrezara+ mpanjakan’i Babylona fanompoana mafy ny tafiny, rehefa nandrava an’i Tyro.+ Sola mihitsy ny lohan’izy rehetra, ary niendaka mihitsy ny hoditra teo amin’ny sorok’izy rehetra,+ nefa tsy nahazo karama+ avy tao Tyro izy sy ny tafiny, ho setrin’ny fanompoana nataony tamin’ny nandravany azy.
-