FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Samoela 18:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Nipetraka teo anelanelan’ny vavahady roa i Davida tamin’izay.+ Ary nankeny an-tampon’ilay vavahady teo amin’ny manda ny mpitily.+ Dia nanopy ny masony izy ka nahatazana lehilahy nihazakazaka.

  • 2 Mpanjaka 9:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Ary nijoro teny ambony tilikambo+ tany Jezirela+ ny mpitily,+ ka hitany nanatona i Jeho sy ny andian’olona niaraka taminy. Dia hoy izy: “Misy andian’olona hitako.” Ary hoy i Jorama: “Mandefasa mpitaingin-tsoavaly hitsena azy, ka hanontany hoe: ‘Fihavanana ve?’”+

  • Isaia 21:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Dia niantsoantso toy ny liona+ izy hoe: “Eto amin’ny tilikambo fiambenana aho no mijoro mandritra ny andro, Jehovah ô, ary eto amin’ny toeram-piambenako aho isaky ny alina.+

  • Jeremia 51:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Manangàna tsato-kazo famantarana+ satria hotafihina ny mandan’i Babylona. Hamafiso ny fiambenana.+ Apetraho amin’ny toerany ireo mpitily. Ataovy vonona ireo mpanafika efa miafina.+ Fa sady efa nikasa i Jehovah no hanatanteraka an’izay nolazainy momba ny hamelezana ny mponin’i Babylona.”+

  • Hosea 9:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Niandany tamin’Andriamanitro ny mpitilin’i+ Efraima.+ Fa ny mpaminany+ kosa mamelatra fandrika toy ny an’ny mpamandri-borona, eny amin’ny lalany rehetra.+ Ary misy fankahalana ao an-tranon’Andriamaniny.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara