FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 12:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Ary hataoko misy firenena lehibe avy aminao. Hitahy anao aho, ary hataoko malaza ny anaranao. Koa aoka ianao ho fitahiana ho an’ny olona.+

  • Levitikosy 26:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 dia homeko ranonorana amin’ny fotoanany tokoa ianareo,+ ka hataoko mahavokatra ny tany,+ ary hamoa ny hazo eny an-tsaha.+

  • Deoteronomia 28:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Hosokafan’i Jehovah ho anao ny fitehirizam-bokatra tsara, dia ny lanitra, mba handatsahany orana amin’ny fotoanany eo amin’ny taninao+ sy mba hitahiany izay rehetra ataon’ny tananao.+ Dia hampisambotra ny firenena maro ianao, fa ianao kosa tsy mba hisambotra.+

  • Salamo 68:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  9 Nampilatsaka oram-be mivatravatra ianao, Andriamanitra ô!+

      Na dia reraka aza ny lovanao, dia nohatanjahinao.+

  • Ohabolana 10:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena+ ary tsy ampiany fahoriana izany.+

  • Zakaria 8:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Ry taranak’i Joda sy taranak’Israely ô,+ lasa fanozonana ianareo taloha teo amin’ireo firenena.+ Hovonjeko kosa anefa ianareo ka ho lasa fitahiana.+ Aza matahotra,+ ary hatanjaho hiatrika asa ny tananareo.’+

  • Malakia 3:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Ento ao an-trano fitehirizana àry ny ampahafolon-karena+ rehetra, mba hisy sakafo ao an-tranoko.+ Ary tsapao toetra amin’izany ange aho e”,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, “raha tsy hovohako ho anareo ny vavahadin-dranon’ny lanitra,+ ary handrotsaka fitahiana be dia be ho anareo aho, mihoatra noho izay ilainareo aza.”+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara