19 dia valio hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Halaiko ny sampan-kazon’i Josefa izay eny an-tanan’i Efraima, sy ny fokon’ny Israely namany, ka hataoko eo amin’ilay sampan-kazon’i Joda, ary hataoko lasa sampan-kazo iray ihany ireo,+ ka ho iray eto an-tanako.”’