FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 3:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Hidina aho hanafaka azy eo an-tanan’ny Ejipsianina,+ ka hitondra azy hiala amin’izany tany izany mba hiakatra ho any amin’ny tany soa sady malalaka, dia tany tondra-dronono sy tantely+ izay tanin’ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.+

  • Eksodosy 4:31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Dia nino ny vahoaka.+ Ary rehefa ren’izy ireo fa efa nitsinjo+ ny zanak’Israely i Jehovah, sady nahita ny fahoriany,+ dia niondrika sy niankohoka izy ireo.+

  • Deoteronomia 4:34
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 34 Sa Andriamanitra efa mba nanandrana naka firenena ho an’ny tenany avy tamin’ny firenena iray, tamin’ny alalan’ny fizahan-toetra,+ sy famantarana,+ sy fahagagana,+ sy ady,+ sy tanana mahery,+ sy sandry nahinjitra,+ ary zavatra tena mampahatahotra,+ toy izay rehetra nataon’i Jehovah Andriamanitrareo ho anareo teo imasonareo, tany Ejipta?

  • Salamo 103:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  7 Nampahafantariny an’i Mosesy ny lalany,+

      Ary nolazainy tamin’ny zanak’Israely ny zavatra nataony.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara