FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 8:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Koa nampanetry tena anao izy, ka namela anao ho noana,+ sy nanome anao mana+ ho sakafo, dia ny mana izay tsy fantatrao sady tsy fantatry ny razanao, mba hampahafantarana anao fa tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’ny vavan’i Jehovah koa.+

  • Deoteronomia 30:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Raha mihaino ny didin’i Jehovah Andriamanitrao izay andidiako anao anio ianao, ka tia an’i Jehovah Andriamanitrao+ sy mandeha amin’ny lalany ary mitandrina ny didiny+ sy ny lalàny ary ny didim-pitsarany,+ dia ho velona+ ianao sady hihamaro, ary hitahy anao i Jehovah Andriamanitrao any amin’ilay tany halehanao sy halainao ho fanananao.+

  • Lioka 10:28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 Dia hoy i Jesosy: “Marina ny navalinao. ‘Izany foana atao dia hahazo ny fiainana ianao.’”+

  • Romanina 10:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Nanoratra mantsy i Mosesy fa izay manao ny fahamarinana avy amin’ny Lalàna no ho velona amin’ny alalan’izany.+

  • Galatianina 3:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Ary tsy mitaky finoana ny Lalàna, fa “izay mankatò izany no ho velona amin’ny alalan’izany.”+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara