FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 10:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Ary niakatra eran’ny tany Ejipta ny valala, dia nipetraka tamin’ny faritra rehetra tao,+ ka tena nampijaly.+ Mbola tsy nisy valala toy izany mihitsy talohan’ireo, ary tsy hisy toy izany intsony koa any aoriany.

  • Eksodosy 13:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 “Ary raha manontany anao ny zanakao any aoriana any+ hoe: ‘Fa inona no hevitr’izao?’, dia lazao aminy hoe: ‘Tamin’ny herin-tsandriny no namoahan’i Jehovah antsika hiala tany Ejipta,+ avy tao amin’ny trano fanandevozana.+

  • Deoteronomia 6:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Dia alenteho tsikelikely ao an-tsain’ny zanakao izany+ ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha eny an-dalana, na mandry,+ na mifoha.

  • Deoteronomia 29:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 “Ary tsy maintsy hanontany ireo taranaka ho avy, dia ny zanakareo handimby anareo, mbamin’ny vahiny avy any an-tany lavitra, rehefa mahita ny loza sy ny aretina ataon’i Jehovah amin’io tany io,+

  • Salamo 78:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  4 Tsy afeninay amin’ny taranak’izy ireo izany,+

      Fa tantarainay amin’ny taranaka ho avy.+

      Eny, tantarainay ny fiderana an’i Jehovah sy ny heriny,+

      Ary ny zava-mahagaga nataony.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara