13 Izao no famaranan-teny rehefa re izany rehetra izany: Matahora an’Andriamanitra+ ka tandremo ny didiny,+ fa izany no adidy tokony hataon’ny olombelona.
4 Iza no tsy hatahotra anao,+ Jehovah ô,+ ary iza no tsy hanome voninahitra ny anaranao,+ satria ianao irery ihany no tsy mivadika?+ Fa ho avy hivavaka eo anatrehanao ny firenena rehetra,+ satria efa naseho ny didim-pitsaranao ara-drariny.”+