-
Nehemia 9:6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 “Ianao irery ihany no Jehovah.+ Ianao no nanao ny lanitra,+ eny, ny lanitry ny lanitra sy ny tafiny rehetra,+ mbamin’ny tany+ sy izay rehetra eo amboniny,+ ary ny ranomasina+ sy izay rehetra ao anatiny.+ Ianao no miantoka ny fahaveloman’ireny rehetra ireny. Miankohoka eo anatrehanao koa ny tafiky+ ny lanitra.
-
-
Salamo 146:6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Ilay Mpanao ny lanitra sy ny tany+
Sy ny ranomasina ary ny zava-drehetra ao amin’ireo,+
Dia Ilay mitana ny fahamarinana mandritra ny fotoana tsy voafetra,+
-
Asan’ny Apostoly 14:15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 hoe: “Ô rey olona e, fa maninona ianareo no manao izao? Olombelona+ tahaka anareo+ ihany ange izahay e! Ary mitory ny vaovao tsara aminareo izahay mba hialanareo amin’izao zava-poana+ izao ka hanatonanareo an’ilay Andriamanitra velona,+ izay nanao ny lanitra+ sy ny tany sy ny ranomasina ary ny zava-drehetra ao amin’ireo.
-
-
-