FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 12:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 “‘Ary ho fahatsiarovana ho anareo io andro io, ka hankalazainareo ho fety ho an’i Jehovah hatramin’ny taranakareo fara mandimby. Tokony hankalaza an’io andro io ianareo. Ho lalàna mandritra ny fotoana tsy voafetra izany.

  • Eksodosy 12:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Koa amin’ny takarivan’ny andro fahefatra ambin’ny folon’ny volana voalohany, dia hihinana mofo tsy misy lalivay ianareo hatramin’ny takarivan’ny andro fahiraika amby roapolon’io volana io.+

  • Levitikosy 23:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 “‘Ny andro fahadimy ambin’ny folon’io volana io dia fetin’ny mofo tsy misy lalivay, izay fety ho an’i Jehovah.+ Fito andro no hihinananareo mofo tsy misy lalivay.+

  • Deoteronomia 16:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Vonoy any amin’izay toerana hofidin’i Jehovah hampitoerana ny anarany,+ ny Paska ho an’i Jehovah Andriamanitrao,+ izay alaina avy amin’ny ondry aman’osy na omby.+

  • Matio 26:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Tamin’ny andro voalohan’ny fetin’ny mofo tsy misy lalivay,+ dia nanatona an’i Jesosy ny mpianatra ka nilaza hoe: “Aiza no tianao hikarakaranay ny Paska mba hihinananao azy?”+

  • Marka 14:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Ary tamin’ny andro voalohan’ny fetin’ny mofo tsy misy lalivay,+ izay andro efa famonoana ny biby atao sorona amin’ny Paska, dia hoy ny mpianany+ taminy: “Aiza no tianao handehananay hikarakara ny Paska mba hihinananao azy?”+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara