FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 53:1-12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 53 Iza no mba nino ny zavatra renay?+ Ary tamin’iza no naharihary+ ny sandrin’i Jehovah?+ 2 Hitsiry toy ny rantsana+ eo anatrehany izy, ary ho toy ny faka maniry eo amin’ny tany tsy misy rano. Tsy manana bika aman’endrika manintona izy, na manana famirapiratana.+ Tsy hahita an’ilay bika aman’endrika anirianay azy izahay rehefa mijery azy.+

      3 Natao tsinontsinona sy nihatakatahan’ny olona izy,+ ary lehilahy nahalala fanaintainana sady nahafantatra tsara ny atao hoe aretina.+ Nihodina izahay mba tsy hijery ny endriny.+ Natao tsinontsinona izy, ary nohamavoinay.+ 4 Ny aretinay tokoa no nentiny,+ ary ny fanaintainanay no nozakainy.+ Nihevitra anefa izahay fa niharan’ny loza+ sy kapoka ary fampahoriana+ avy tamin’Andriamanitra+ izy. 5 Notrobarana+ noho ny helokay+ anefa izy, ary notorotoroina noho ny fahadisoanay.+ Nihatra taminy ilay sazy nahazoanay fihavanana,+ ary ny ratrany+ no nahazoanay fanasitranana.+ 6 Nirenireny toy ny ondry izahay rehetra,+ ka samy nivily nanaraka ny lalanay avy. Ary nampitondrain’i Jehovah azy ny fahadisoanay rehetra.+ 7 Voageja mafy+ sy nanaiky hampahorina izy,+ nefa tsy niloa-bava akory. Nentina toy ny ondry hovonoina izy,+ ary tsy niloa-bava toy ny ondrivavy izay nanjary moana teo anoloan’ny mpanety azy.+

      8 Nampahorina izy ary tsy nomena rariny.+ Iza no handinika ny tsipiriany momba ny taranaka nipoirany?+ Fa nesorina hiala+ tamin’ny tanin’ny velona+ izy. Nokapohina+ koa izy noho ny heloky+ ny oloko. 9 Rehefa maty izy, dia hatao eo amin’ny ratsy fanahy+ sy ny mpanankarena ny fasany,+ na dia tsy nanao herisetra+ aza izy sady tsy nisy fitaka teo am-bavany.+

      10 Sitrak’i Jehovah anefa ny hanorotoro azy.+ Nataony narary koa izy.+ Raha atolotrao ho fanatitra noho ny heloka+ izy, dia hahita an’izay ho taranany+ sady hanalava ny androm-piainany,+ ary ny tanany no hanatanteraka an-tsakany sy an-davany+ izay sitrak’i+ Jehovah. 11 Noho ny fahoriany, dia hahita zava-tsoa izy+ ka ho afa-po.+ Ny fahalalana azon’ilay olo-marina mpanompoko+ no hanampiany olona maro ho tonga olo-marina.+ Ary hozakainy ny fahadisoan’izy ireo.+ 12 Koa homeko anjara miaraka amin’ny maro izy.+ Hifampizara babo miaraka amin’ireo mahery izy,+ noho izy nanolotra* ny ainy ho amin’ny fahafatesana.+ Ary natao ho anisan’ny mpandika lalàna izy.+ Nitondra ny fahotan’ny maro koa izy,+ ary mpanelanelana+ eo amin’ireo mpandika lalàna.

  • Daniela 9:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 “Aorian’ireo roa amby enimpolo herinandro, dia hovonoina ny Mesia,+ ka tsy hanana na inona na inona intsony.+

      “Ary ny tanàna sy ny toerana masina+ dia horavan’ny tafiky ny mpitarika iray ho avy.+ Ary horavan’ny tondra-drano manafotra ilay toerana masina. Ary hisy ady mandra-pahatongan’ny farany. Araka ny didy navoaka, dia hisy faharavana.+

  • Asan’ny Apostoly 4:28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 Nanao izany izy ireo mba hanatanterahana izay efa voatendrin’ny tananao sy ny fikasanao.+

  • 1 Petera 1:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Nanadihady hatrany izy ireny hoe rahoviana+ na hanao ahoana ny fotoana voatondro momba an’i Kristy,+ araka izay notondroin’ny fanahy masina+ tao amin’izy ireny, rehefa nambaran’io fanahy io mialoha ny fijalian’i Kristy+ sy ny voninahitra+ aorian’izany.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara