25 “Noho izany no ilazako aminareo hoe: Aza manahy intsony+ ny amin’ny ainareo,* dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin’ny vatanareo, dia izay hotafinareo.+ Tsy mihoatra noho ny sakafo ve ny aina, ary ny vatana noho ny fitafiana?+
17 Fa ny fanjakan’Andriamanitra+ dia tsy midika hoe fihinanana sy fisotroana,+ fa fahamarinana+ sy fihavanana+ ary fifaliana+ amin’ny alalan’ny fanahy masina kosa.
6 Aza manahy na amin’inona na amin’inona,+ fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo,+ amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana+ mbamin’ny fisaorana.