23 Avy eo izy dia nandeha+ nanerana an’i Galilia+ manontolo, ka nampianatra tany amin’ny synagoga+ sy nitory ny vaovao tsaran’ilay fanjakana ary nanasitrana ny karazan’aretina+ rehetra sy ny karazana kilema rehetra, teo amin’ny vahoaka.
14 Fa izy ireo kosa nanohy ny diany, ka niala tao Perga dia tonga tany Antiokia, any Pisidia. Koa niditra tao amin’ny synagoga+ izy ireo tamin’ny sabata ka naka toerana.
2 Dia niditra tao araka ny fanaony i Paoly+ mba hitory tamin’izy ireo. Ary nandritra ny sabata telo no niezahany nandresy lahatra azy ireo, niorina tamin’ny Soratra Masina.+