Salamo
Nataon’i Davida.
28 Ianao no antsoiko mandrakariva, Jehovah ô!+
Aza manampin-tsofina tsy hihaino ahy, ry Vatolampiko ô,+
Mba tsy hahatonga anao hangina tsy hamaly ahy+
Ary mba tsy ho sahala amin’ireo midina any an-davaka aho.+
2 Henoy ny fitalahoako rehefa miantso vonjy aminao aho,
Sy rehefa manandratra ny tanako+ manandrify ny efitra anatiny indrindra amin’ny toeranao masina.+
3 Aza taritaritina miaraka amin’ny ratsy fanahy sy ny mpanao ratsy aho.+
Fihavanana no resahin’ireny amin’ny namany+ nefa ratsy ny ao am-pony.+
4 Valio araka ny asany ireny,+
Eny, araka ny ratsy fanaony.+
Valio araka ny asan’ny tanany ireny.+
Ataovy mitsingerina aminy ihany ny ataony.+
5 Fa tsy ahoan’ireny izay ataon’i Jehovah+
Sy ny asan’ny tanany.+
Hotorotoroin’Andriamanitra ireny, ary hataony tsy ho tafarina intsony.
6 Hisaorana anie i Jehovah fa nohenoiny ny fitalahoako!+
7 I Jehovah no heriko+ sy ampingako.+
Izy no itokian’ny foko.+
Nanampy ahy izy ka faly ny foko,+
Ary ny hirako no hiderako azy.+