137 Teo amoron’ny renirano tany Babylona+ izahay no nipetrapetraka.+
Teo koa izahay no nitomany rehefa nahatsiaro an’i Ziona.+
2 Teny amin’ny hazo aravaha+ tany Babylona
No nahantonay ny harpa+ fitendrinay.
3 Nangataka anay hihira ireo mpamabo+
Sy mpaneso anay mba hifalifaliany,+ ka hoy izy ireo:
“Anaovy hiran’i Ziona+ izahay.”
4 Ataonay ahoana anefa no fihira ny hiran’i Jehovah+
Any an-tanin’olona?+
5 Raha manadino anao aho, ry Jerosalema ô,+
Dia aoka ny tanako ankavanana hanadino izay efa hainy.
6 Ary aoka ny lelako hiraikitra amin’ny lanilaniko+
Raha tsy mahatsiaro anao aho,+
Ary raha tsy i Jerosalema no asandratro
Ho ambony noho ny antom-pifaliako+ lehibe indrindra.
7 Jehovah ô, tsarovy+ ny nataon’ny taranak’i Edoma+ tamin’ny andro nandravana an’i Jerosalema,+
Ka nilazan’izy ireo hoe: “Ravao tanteraka! Ravao hatramin’ny fotony!”+
8 Ry Babylona zanakavavy horobaina ô!+
Ho sambatra ilay hamaly anao+
Araka izay nataonao taminay.+
9 Ho sambatra ilay hibata ny zanakao sy hanatonta azy+
Amin’ny vatolampy mba hahatorotoro azy.