Joba
19 Dia namaly i Joba hoe:
5 Raha mirehareha eo anatrehako ianareo,+
Ary milaza fa rariny ny fanalam-baraka ahy,+
6 Dia fantaro fa Andriamanitra no namitaka ahy,
Ary efa nakatony tamiko ny fandrika harato.+
7 Miantsoantso aho hoe: ‘Loza!’, nefa tsy misy mamaly ahy.+
Miantso vonjy aho, nefa tsy mahazo rariny.+
8 Nosakanany tamin’ny rindrim-bato ny lalako,+ ka tsy afa-mandroso aho,
Ary nataony maizina ny lalako.+
10 Ravaravany tanteraka aho, ka levona,
Ary ongotany toy ny fanongotra hazo ny fanantenako.
12 Mirohotra manangana tovon-tany hamelezana ahy ny andia-miaramilany,+
Ka mitoby manodidina ny tranolaiko.
14 Nandao ahy ny namako akaiky,+
Nanadino ahy koa ny olom-pantatro
15 Mbamin’ny vahiny nipetraka tao amiko,+ ary mihevitra ahy ho olon-tsy fantatra ny mpanompovaviko.
Nanjary vahiny aho teo imason’ireny.
16 Antsoiko ny mpanompoko, nefa tsy mamaly,
Ary ny vavako mihitsy no mitalaho aminy mba hangoraka ahy.
23 Enga anie ka ho voasoratra ny teniko!
Eny, enga anie ka ho voasoratra ao anaty boky izany!
24 Enga anie izany ka ho voasokitra amin’ny alalan’ny penina vy+ sady rarahana firamainty,
Eny, ho voasokitra mandrakizay eo amin’ny vatolampy!
25 Fantatro tsara fa velona ny mpanavotra+ ahy,
Ary rehefa lasa aho, dia ho avy izy ka hitsangana+ eo amin’ny vovoka.
26 Rehefa nendahana ny hoditro, dia izao sisa aho.
Na lany aza anefa ny nofoko, dia hahita an’Andriamanitra aho,
Ny masoko, fa tsy ny mason’ny olon-kafa, no hahita azy.
Ary efa sasa-miandry aho.*