Genesisy
20 Ary niala teo i Abrahama ka nifindra toby+ ho any amin’ny tany Negeba. Dia nanorim-ponenana teo anelanelan’i Kadesy+ sy Sora+ izy ka nivahiny tao Gerara.+ 2 Ary nolazain’i Abrahama foana hoe anabaviny+ i Saraha vadiny. Koa naniraka olona haka an’i Saraha+ i Abimeleka mpanjakan’i Gerara. 3 Dia tonga teo amin’i Abimeleka tao amin’ny nofy Andriamanitra tamin’ny alina, ka niteny hoe: “Ho faty ianao noho ny amin’io vehivavy nalainao io.+ Efa misy tompony mantsy izy, satria vadin’olona.”+ 4 Mbola tsy nanao firaisana+ tamin-dravehivavy anefa i Abimeleka. Koa hoy izy: “Jehovah ô, firenena tena marina ve dia hovonoinao?+ 5 Tsy ralehilahy ve no efa niteny tamiko hoe: ‘Anabaviko izy’? Ary tsy ravehivavy koa ve no efa niteny hoe: ‘Anadahiko izy’? Koa tamin’ny fo madio sy tamim-pahatsorana no nanaovako izao.”+ 6 Ary niteny taminy tao amin’ny nofy Andriamanitra hoe: “Izaho koa mahafantatra fa tamin’ny fo madio no nanaovanao izao,+ ka nosakanako tsy hanota amiko ianao.+ Koa izany no tsy namelako anao hikasika azy.+ 7 Avereno ny vadin-dralehilahy, satria mpaminany izy.+ Ary hitalaho ho anao izy,+ dia tsy ho faty ianao. Fa raha tsy averinao kosa ravehivavy, dia aoka ho fantatrao fa ho faty tokoa ianao sy izay rehetra ao an-tranonao.”+
8 Koa nifoha maraina i Abimeleka ka niantso ny mpanompony rehetra, ary nilaza izany rehetra izany tamin’izy ireo. Dia natahotra mafy ireo. 9 Ary niantso an’i Abrahama i Abimeleka, ka niteny taminy hoe: “Fa inona ity nataonao taminay, ary inona no fahotana nataoko taminao, no dia nahatonga fahotana lehibe+ tamiko sy ny fanjakako ianao? Zavatra tsy fanao izao nataonao tamiko izao.”+ 10 Ary hoy koa i Abimeleka tamin’i Abrahama: “Fa inona no antony nanaovanao izao zavatra izao?”+ 11 Dia hoy i Abrahama: “Nieritreritra mantsy aho hoe: ‘Tsy matahotra an’Andriamanitra mihitsy ny olona eto amin’ity toerana ity,+ ka hovonoiny aho noho ny amin’ny vadiko.’+ 12 Anabaviko ihany anefa izy raha ny marina, satria zanaky ny raiko, fa tsy zanaky ny reniko, ka lasa vadiko.+ 13 Koa rehefa nasain’Andriamanitra nandeha lavitra ny ankohonan-draiko aho,+ dia hoy aho tamin’ny vadiko: ‘Izao no hatsaram-panahy feno fitiavana+ azonao aseho amiko: Any amin’izay toerana rehetra halehantsika, dia lazao hoe: “Anadahiko izy.”’”+
14 Dia naka ondry sy omby sy mpanompolahy ary mpanompovavy i Abimeleka, ka nomeny an’i Abrahama. Naveriny taminy koa i Saraha vadiny.+ 15 Ary hoy i Abimeleka: “Eo anoloanao ny taniko, ka mahazo monina eny amin’izay tsara eo imasonao ianao.”+ 16 Fa hoy kosa izy tamin’i Saraha: “Omeko farantsa volafotsy arivo ny anadahinao.+ Ho tampi-maso*+ hiarovana ny lazanao eo anatrehan’izay rehetra miaraka aminao sy ny olona rehetra, izy iny. Koa afa-tsiny àry ianao.” 17 Ary nitalaho tamin’Andriamanitra i Abrahama.+ Koa nositranin’Andriamanitra i Abimeleka sy ny vadiny ary ny mpanompovaviny, ka afaka niteraka izy ireo. 18 Efa nataon’i Jehovah mantsy izay hahamomba* ny vehivavy rehetra tao an-tranon’i Abimeleka, noho ny amin’i Saraha vadin’i Abrahama.+