Joba
7 “Tsy asa an-terivozona+ ve no anjaran’ny olombelona mety maty, eto an-tany?
Ary tsy toy ny andron’ny mpikarama ve ny androny?+
3 Koa volana+ maro tsy misy vidiny no nomena ho anjarako,
Ary alina feno fahoriana+ no natokana ho ahy.
4 Rehefa natory aho, dia nanao hoe: ‘Rahoviana re aho no hifoha e?’+
Ary sasatry ny nivadibadika aho nanomboka tamin’ny takariva ka hatramin’ny mangiran-dratsy.
5 Rakotra olitra+ sy vovoka+ mivangongo ny nofoko.
Efa nisy takopery ny hoditro, nefa mitsiranoka indray.+
9 Misava ny rahona, ka lasa.
Toy izany koa fa izay midina any amin’ny Fasana,* dia tsy hiakatra intsony.+
11 Tsy hitampim-bava aho,
Fa hiteny ao anatin’ny fahorian-tsaiko,
Ary hitaraina ao anatin’ny fahoriam-poko.+
13 Rehefa nilaza aho hoe: ‘Hampionona ahy ny farafarako,
Ary hanamaivana ny tebitebiko ny fandrianako’,
14 Dia nampihorohoro ahy tamin’ny nofy ianao,
Ary nampitahotra ahy tamin’ny fahitana.
15 Koa aleoko matin’ny hasemporana,
Eny, aleoko maty+ toy izay taolana fotsiny toy izao.
16 Maharikoriko ahy ny fiainako.+ Tsy ho ela velona aho.
Aza manelingelina ahy, fa mihelina toy ny fofonaina ny androko.+
17 Inona moa ny olombelona mety maty+ no tezainao,
Sy ifantohanao,
18 Ary dinihinao isa-maraina,
Ka zahanao toetra foana?+
19 Nahoana raha mba mihodina ianao ka tsy mibanjina ahy,+
Ary tsy manelingelina ahy na dia mandra-piteliko rora fotsiny aza?