12 Ary hoy i Jehovah tamin’i Abrama: “Mialà amin’ny taninao sy ny havanao ary ny ankohonan-drainao, ka mankanesa any amin’ny tany hasehoko anao.+ 2 Hataoko lasa firenena lehibe ianao. Hitahy anao aho, dia hataoko malaza ny anaranao. Ho lasa fitahiana ho an’ny olona koa ianao.+