Genesisy 3:19 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 19 Ary ho tsemboka ianao vao hahazo sakafo,* mandra-piverinao amin’ny tany, fa avy tamin’ny tany no nakana anao.+ Fa vovoka ianao ary hiverina ho vovoka indray.”+ Salamo 49:17 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 17 Rehefa maty mantsy izy, dia tsy hahatondra na inona na inona;+Tsy hidina hanaraka azy ny voninahiny.+ Mpitoriteny 5:15 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 15 Mitanjaka ny olona rehefa nivoaka avy tao an-kibon-dreniny, ary toy izany koa izy rehefa maty.+ Tsy afaka mitondra na inona na inona avy amin’ny asa mafy nataony izy.+ Mpitoriteny 12:7 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 7 Dia hiverina amin’ny tany toy ny teo aloha ny vovoka,+ fa ny hery mamelona kosa hiverina amin’ilay tena Andriamanitra izay nanome azy.+ 1 Timoty 6:7 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 7 Fa tsy nitondra na inona na inona teto amin’izao tontolo izao isika, sady tsy hahatondra na inona na inona hiala eto.+
19 Ary ho tsemboka ianao vao hahazo sakafo,* mandra-piverinao amin’ny tany, fa avy tamin’ny tany no nakana anao.+ Fa vovoka ianao ary hiverina ho vovoka indray.”+
17 Rehefa maty mantsy izy, dia tsy hahatondra na inona na inona;+Tsy hidina hanaraka azy ny voninahiny.+
15 Mitanjaka ny olona rehefa nivoaka avy tao an-kibon-dreniny, ary toy izany koa izy rehefa maty.+ Tsy afaka mitondra na inona na inona avy amin’ny asa mafy nataony izy.+
7 Dia hiverina amin’ny tany toy ny teo aloha ny vovoka,+ fa ny hery mamelona kosa hiverina amin’ilay tena Andriamanitra izay nanome azy.+
7 Fa tsy nitondra na inona na inona teto amin’izao tontolo izao isika, sady tsy hahatondra na inona na inona hiala eto.+