FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Salamo 45:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  6 Andriamanitra no seza fiandriananao mandrakizay mandrakizay;+

      Ny tehin’ny fanjakanao dia tehina mampanjaka ny rariny.*+

  • Ezekiela 21:27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 Horavako, horavako, horavako izany,* ka tsy ho lasan’iza na iza mihitsy, mandra-pahatongan’ilay manana zo ara-dalàna hahazo an’izany.+ Dia homeko azy izany.’+

  • Daniela 7:13, 14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 “Mbola nijery ihany aho, tao amin’ilay fahitana hitako tamin’ny alina. Dia iny nisy hoatran’ny zanak’olona+ nanatona, niaraka tamin’ny rahon’ny lanitra. Nahazo alalana hankeo amin’Ilay Efa Nisy Hatry ny Ela Be+ izy, ka nentina teo anatrehany. 14 Ary nomena fitondrana+ sy voninahitra+ ary fanjakana izy, ka tokony hanompo azy daholo ny vahoaka sy ny firenena ary ny olona samy hafa fiteny.+ Ny fitondrany dia fitondrana haharitra mandrakizay fa tsy handalo fotsiny, ary ny fanjakany tsy ho rava.+

  • Apokalypsy 19:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Ary nisy anarana voasoratra teo amin’ny akanjony ivelany, teo amin’ny feny, hoe Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara