7 Ary niseho tamin’i Abrama i Jehovah, ka niteny hoe: “Ny taranakao+ no homeko an’ity tany ity.”+ Dia nanorina alitara teo i Abrama, ho an’i Jehovah, ilay niseho taminy.
14 Hoy i Jehovah tamin’i Abrama, rehefa nisaraka izy sy Lota: “Azafady ange e! Jereo avy eo amin’ny toerana misy anao eo ny manodidina, dia mijere mianavaratra sy mianatsimo sy miantsinanana ary miankandrefana. 15 Fa homeko ho fanananao sy ny taranakao mandrakizay ireo tany rehetra tazanao ireo.+
13 Hitany koa fa io i Jehovah teo an-tampon’ilay tohatra, niteny hoe:
“Izaho no Jehovah, ilay Andriamanitr’i Abrahama raibenao sy Andriamanitr’i Isaka.+ Homeko anao sy ny taranakao ity tany ity sy io toerana atorianao io.+