-
Eksodosy 16:12-15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 “Efa henoko ny fimenomenonan’ny Israelita,+ ka teneno izy ireo hoe: ‘Hihinan-kena ianareo amin’ny takariva,* ary ho voky mofo amin’ny maraina.+ Dia ho fantatrareo tokoa fa izaho no Jehovah Andriamanitrareo.’”+
13 Koa ny harivan’iny, dia tonga ny papelika* ka feno ny toby.+ Ary nisy ando teny amin’ny manodidina ny toby rehefa maraina. 14 Rehefa lasa etona ilay ando tany an-tany efitra, dia nisy zavatra mivaingambaingana kely toy ny lanezy manify+ teny amin’ny tany. 15 Rehefa nahita an’ilay izy ny Israelita, dia nifanontany hoe: “Fa inona ireny?” Tsy fantany mantsy hoe inona ilay izy. Dia hoy i Mosesy: “Mofo nomen’i Jehovah ho sakafonareo ireny.+
-