FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Salamo 57:7-11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  7 Tsy miovaova mihitsy ny foko, Andriamanitra ô!+

      Tsy miovaova mihitsy ny foko.

      Hihira sy hitendry mozika ho anao aho.

       8 Mifohaza, ry voninahitro.

      Mifohaza, ry zavamaneno fitendry ô! Ianao koa, ry harpa ô!

      Hofohaziko ny maraina mangiran-dratsy.+

       9 Hidera anao eo amin’ny vahoaka aho, Jehovah ô!+

      Hihira fiderana* ho anao eo amin’ireo firenena aho.+

      10 Fa tena lehibe ny fitiavanao ka tonga hatreny amin’ny lanitra,+

      Ary ny tsy fivadihanao mipaka hatreny amin’ny rahona.

      11 Misandrata any ambonin’ny lanitra, Andriamanitra ô!

      Enga anie ny voninahitrao hanerana ny tany manontolo!+

  • Salamo 104:33
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 33 Hihira ho an’i Jehovah aho+ mandritra ny androm-piainako;

      Hihira fiderana* ho an’ny Andriamanitro aho raha mbola velona koa.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara