9 Iza no hitondra ahy any amin’ilay tanàna natao fahirano?
Iza no hitarika ahy hatrany Edoma?+
10 Tsy ianao ve, Andriamanitra ô, ilay nanary anay,
Ilay Andriamanitray nefa tsy miaraka amin’ny tafikay intsony?+
11 Ampio izahay rehefa misy fahoriana mahazo anay,
Fa tsy misy dikany ny famonjena avy amin’ny olombelona.+
12 Hahazo hery avy amin’Andriamanitra izahay,+
Ary hanosihosy an’ireo fahavalonay izy.+