-
2 Tantara 36:17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Koa nentin’Andriamanitra hanafika azy ireo ny mpanjakan’ny Kaldeanina.+ Dia novonoiny tamin’ny sabatra+ tao amin’ny toerana masina ny tovolahin’izy ireo.+ Tsy nisy nananany antra, na ny tovolahy na ny virjiny, na ny antitra na ny marefo.+ Natolotr’Andriamanitra teo am-pelatanany daholo ny zava-drehetra.+
-
-
Jeremia 51:7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Kaopy volamena teny an-tanan’i Jehovah i Babylona.
Nataon’i Babylona izay hahamamo ny tany rehetra.
-
-
Daniela 5:18, 19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Ry mpanjaka ô! Nomen’ilay Andriamanitra Avo Indrindra an’i Nebokadnezara rainao ny fanjakana sy ny fahalehibeazana sy ny voninahitra ary ny fahefana.+ 19 Ary nangovitra sy natahotra azy ny vahoaka sy ny firenena ary ny olona samy hafa fiteny rehetra, noho ny fahalehibeazana nomen’Andriamanitra azy.+ Izay tiany hovonoina mantsy dia novonoiny, ary izay tiany ho velona dia navelany ho velona. Izay tiany hasandratra koa dia nasandrany, ary izay tiany haetry dia naetriny.+
-