FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Jeremia 23:16, 17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Izao no lazain’i Jehovah Tompon’ny tafika:

      “Aza mihaino ny tenin’ireo mpaminany milaza faminaniana aminareo.+

      Mamitaka* anareo fotsiny izy ireo.

      Fahitana avy ao am-pony no lazainy,+

      Fa tsy avy amin’ny vavan’i Jehovah.+

      17 Izao no averimberiny amin’ireo tsy manaja ahy:

      ‘Izao no lazain’i Jehovah: “Hiadana ianareo.”’+

      Ary izay rehetra mikiry manao izay tian’ny fony kosa ataony hoe:

      ‘Tsy hisy loza hanjo anareo.’+

  • Ezekiela 13:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Tsy fahitana sandoka ve no hitanareo, ary tsy naminany lainga ve ianareo, tamin’ianareo niteny hoe: ‘Izao no tenin’i Jehovah’, nefa izaho tsy niteny na inona na inona akory?”’

  • Mika 2:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Raha misy olona manaonao foana sy mamitaka ka mandainga hoe:

      “Momba ny divay sy ny toaka no hotoriko aminao”,

      Dia zavatra mahafinaritra ny olona fotsiny no hotoriny.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara