FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Matio 15:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Reraka fotsiny izy ireo manompo ahy, satria didin’olombelona no ampianariny.’”+

  • Marka 7:8-13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Tsy raharahianareo ny didin’Andriamanitra, fa ny fomban-drazana+ no arahinareo.”

      9 Hoy koa izy tamin’ireo: “Hainareo erỳ ny miala amin’ny didin’Andriamanitra mba hanarahanareo ny fomban-drazanareo.+ 10 Nilaza, ohatra, i Mosesy hoe: ‘Hajao ny rainao sy ny reninao’,+ sy hoe: ‘Tokony hovonoina ho faty izay mamingavinga* ny rainy na ny reniny.’+ 11 Ianareo anefa milaza hoe: ‘Raha misy miteny amin’ny rainy na ny reniny hoe: “Izay ananako rehetra ka mety ho azoko anampiana anao, dia efa korbana,—izany hoe fanomezana voatokana ho an’Andriamanitra—”’ 12 dia tsy avelanareo hanao na inona na inona ho an’ny rainy na ny reniny intsony izy.+ 13 Ataonareo tsy misy vidiny àry ny tenin’Andriamanitra noho ny fomban-drazana nampitampitainareo.+ Betsaka koa ny zavatra hoatr’izany ataonareo.”+

  • Kolosianina 2:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Tandremo sao hisy hamandrika anareo* amin’ny filozofia sy ny hevitra mamitaka tsy misy fotony.+ Avy amin’ny fampianarana nifandovan’olombelona sy ny fisainan’izao tontolo izao* ireny, fa tsy avy amin’i Kristy.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara