-
Daniela 9:27Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
27 “Ary hataony manan-kery ho an’ny olona maro mandritra ny herinandro ilay fifanekena. Rehefa misasaka io herinandro io, dia hofaranany ny sorona sy fanatitra atao fanomezana.+
“Ary hoentin’ny elatry ny zava-maharikoriko ilay mpandrava.+ Hampiharina amin’ilay efa rava koa ny didim-pitsarana, mandra-pahatongan’ny fandringanana tanteraka.”
-
-
Marka 13:14-18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 “Rehefa hitanareo anefa fa mitsangana eo amin’izay tsy tokony hitsanganany ilay zava-maharikoriko mahatonga faharavana+—aoka ny mpamaky handinika tsara—, dia mila mandositra any an-tendrombohitra izay any Jodia.+ 15 Izay any an-tampon-trano koa tsy tokony hidina na hiditra ao an-tranony mba haka zavatra ao, 16 ary izay any an-tsaha tsy tokony hiverina any amin’izay efa nilaozany mba haka ny akanjony ivelany. 17 Loza no hanjo ny bevohoka sy ny mampinono, amin’izany andro izany!+ 18 Mivavaha foana mba tsy ho amin’ny ririnina izany no hitranga.
-