13 Ary aza atolotra hofehezin’ny ota intsony ny vatanareo* mba tsy ho fitaovam-piadian’ny tsy fahamarinana. Fa atolory ho an’Andriamanitra kosa ny tenanareo, izay toy ny efa maty nefa efa velona izao. Atolory azy ny vatanareo* mba ho fitaovam-piadian’ny fahamarinana.+
4 Tena mamindra fo+ anefa Andriamanitra, ary noho ny fitiavana lehibe nasehony tamintsika+5 dia novelominy niaraka tamin’i Kristy isika, na dia maty noho ny helotsika aza.+—Hatsaram-panahy miavaka no namonjena anareo.—