-
Matio 14:14-17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Dia nahita vahoaka be i Jesosy rehefa niala avy tao an-tsambokely. Nangoraka+ an’ireo izy, ka nanasitrana an’izay narary.+ 15 Rehefa hariva anefa ny andro, dia nanatona azy ny mpianany ka niteny hoe: “Mitokana ity toerana ity, sady efa hariva ny andro. Ravao ny vahoaka mba hividy sakafo any an-tanàna.”+ 16 Hoy anefa i Jesosy tamin’izy ireo: “Tsy voatery handeha ry zareo, fa omeo zavatra hohanina.” 17 Dia hoy izy ireo: “Mofo dimy sy trondro roa fotsiny ange no atỳ aminay e!”
-
-
Marka 6:35-38Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
35 Rehefa hariva ny andro, dia nanatona azy ny mpianany ka niteny hoe: “Mitokana ity toerana ity, sady efa hariva sahady ny andro.+ 36 Ravao ny olona mba hankeny ambanivohitra sy eny amin’ny tanàna manodidina, dia hividy zavatra hohanina.”+ 37 Dia hoy izy tamin’ireo: “Omeo zavatra hohanina ry zareo.” Ary hoy ireo taminy: “Tokony handeha hividy mofo azon’ny 200 denaria* ve izany izahay, mba homena hohanin’ireo olona ireo?”+ 38 Dia hoy izy tamin’ireo: “Jereo hoe misy mofo firy any aminareo any.” Rehefa avy nijery izy ireo, dia niteny hoe: “Mofo dimy, dia misy trondro roa koa.”+
-
-
Lioka 9:12, 13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Rehefa ho hariva ny andro, dia nanatona azy izy 12 Lahy, ka niteny hoe: “Ravao ny vahoaka mba handeha hitady toerana hatoriana sy sakafo eny amin’ny tanàna manodidina sy eny ambanivohitra, fa mitokana ity misy antsika ity.”+ 13 Hoy anefa izy tamin’izy ireo: “Omeo zavatra hohanina ry zareo.”+ Dia hoy ireo: “Tsy manana afa-tsy mofo dimy sy trondro roa izahay, raha tsy hoe izahay angaha no handeha hividy sakafo ho an’ireo olona rehetra ireo.”
-