-
1 Petera 4:10, 11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Ampiasao mba hifanompoana izay nomena anareo, arakaraka izay noraisinareo tsirairay avy. Ianareo mantsy no mpanompo tsara izay manampy ny hafa handray soa amin’ny hatsaram-panahy miavaka asehon’Andriamanitra amin’ny fomba maro samihafa.+ 11 Raha misy miteny, dia aoka izy ho toy ny milaza hafatra avy amin’Andriamanitra. Raha misy manompo, dia aoka izy hanompo sady hiantehitra amin’ny hery omen’Andriamanitra.+ Amin’izay dia homem-boninahitra amin’ny zava-drehetra Andriamanitra,+ amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Azy mandrakizay mandrakizay ny voninahitra sy ny hery! Amena.
-