-
Romanina 15:26, 27Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
26 Fa nahafinaritra an’ireo rahalahy any Makedonia sy atỳ Akaia ny nanome ny fananany, mba hanampiana an’izay mahantra amin’ny olona masina any Jerosalema.+ 27 Marina fa nahafinaritra azy ireo ny nanao an’izany, nefa koa tena trosa tokony haloany amin’izy ireo izany. Raha nahazo tamin’ny harena ara-panahin’ny olona masina mantsy ny hafa firenena, dia mba adidiny kosa ny mikarakara* azy ireo ka manome an’izay zavatra ilainy andavanandro.+
-
-
Filipianina 4:15-17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Fantatrareo Filipianina koa fa tsy mba nisy fiangonana nanampy ahy na nanaiky hampiako, afa-tsy ianareo ihany, tamin’ianareo vao naheno momba ny vaovao tsara, rehefa niala tany Makedonia aho.+ 16 Tamin’izaho mbola tany Tesalonika mantsy, dia nandefa zavatra ho ahy ianareo, ary tsy indray mandeha fotsiny fa indroa, mba hahazoako an’izay nilaiko. 17 Tsy hoe te hahazo fanomezana aho, fa tiako raha mba manao zavatra tsara foana ianareo mba hitombo ny harenanareo.*
-