-
1 Korintianina 13:4-7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Ny fitiavana+ manam-paharetana*+ sy tsara fanahy.+ Ny fitiavana tsy mialona,+ tsy mirehareha, tsy mieboebo,+ 5 tsy manao zavatra tsy mendrika,*+ tsy mitady izay hahasoa ny tenany,+ tsy mora tezitra,+ tsy mitana lolompo,*+ 6 tsy mifaly noho ny tsy fahamarinana+ fa mifaly noho ny fahamarinana kosa, 7 mandefitra ny zava-drehetra,+ mino ny zava-drehetra,+ manantena ny zava-drehetra,+ ary miaritra ny zava-drehetra.+
-