-
1 Samoela 2:27, 28Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
27 Nisy lehilahin’Andriamanitra tonga tany amin’i Ely, ka niteny hoe: “Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Tsy efa nampahafantatra tsara ny tenako tamin’ny ankohonan-drainao ve aho, tamin’izy ireo andevon’ny ankohonan’i Farao tany Ejipta?+ 28 Ary nofidina avy teo amin’ny foko rehetra teo amin’ny Israely+ izy mba ho mpisorona ho ahy, sy hiakatra eo amin’ny alitarako+ ka hanao sorona sy hanolotra emboka manitra* ary hanao efoda eo anatrehako. Nomeko ho an’ny ankohonan’ny razambenao koa ny fanatitra rehetra atao anaty afo, izay atolotry ny Israelita.*+
-