Joba
13 “Efa hitan’ny masoko tokoa izany rehetra izany,
Ary efa henon’ny sofiko ka azony.
2 Izay fantatrareo dia fantatro koa;
Tsy ambany noho ianareo aho.
3 Fa raha izaho, dia aleoko miresaka amin’ilay Mahery Indrindra;
Te hitondra ny adiko eo anatrehan’Andriamanitra+ aho.
6 Henoy, azafady, ny hevitro,
Ary henoy tsara ny fiarovan-tena lazain’ny vavako.
7 Hilaza zavatra tsy ara-drariny ve ianareo mba hanohanana an’Andriamanitra,
Ary hilaza fitaka mba hiarovana azy?
Hiezaka hiady ho an’ilay tena Andriamanitra eny amin’ny fitsarana ve ianareo?
9 Ho faly aminareo ve izy raha mandinika anareo?+
Ho voafitakareo toy ny ataonareo amin’ny olombelona mety maty ve izy?
11 Tsy hampihorohoro anareo ve ny fahalehibeazany,
Ary tsy hatahotra azy ve ianareo?
12 Ny tenim-pahendrena lazainareo,* dia ohabolana tsy misy ilana azy toy ny lavenona.
Ny fiarovan-tenanareo* dia malemy hoatran’ny manda tanimanga.
13 Mangìna fa hiteny aho,
Dia avelao hanjo ahy izay hanjo ahy!
16 Dia ho lasa mpamonjy ahy izy,+
Satria tsy misy olona tsy matahotra azy* ho afaka hiseho eo anatrehany.+
17 Henoy tsara ny teniko;
Henoy izay lazaiko.
18 Efa nomaniko tsara ny adiko eny amin’ny fitsarana;
Fantatro fa manana ny rariny aho.
19 Iza no hifandahatra amiko?
Fa raha mangina aho, dia ho faty!*
22 Antsoy aho dia hamaly,
Na avelao aho hiteny, dia ianao no hamaly ahy.
23 Fa inona moa no fahadisoako sy fahotako?
Ampahafantaro ahy ny lalàna nodikaiko sy ny fahotana vitako.
25 Ravinkazo efa entin-drivotra ve dia mbola tadiavinao hampitahorina ihany?
Ary mololo efa maina ve dia mbola henjehinao?
26 Fa manoratra zavatra hiampangana ahy foana ianao, sady mangidy amiko ireny fiampangana ireny,
Ary sazinao aho noho ny fahotana vitako tamin’izaho mbola tanora.